Hetsika atao hamerenana ny mpivarotra masikita eo Mahamasina

Io toerana io dia miteraka
fidiram-bola sy asa ho an’ireo olona tsy manana anton’asa fivelomana, ary
mitarika azy ireo mba hanara-dàlana amin’ asa ataony amin’ny alalan’ny fividianana
entana ao amin’ny “Bazar du Quartier”.
Ny fisian’ ireo ireo
mpivarotra ireo amin’io toerana malalaka io dia misarika olona maromaro isaky
ny hariva. Miteraka ihany koa fifandraisam-piaraha monina eo anivon’ny
fokontany sy ny tanan-dehibe. Izahay dia resy lahatra fa ny fanatsarana ny fokontany
dia tsy midika hoe toerana mangingina fa kosa manatsara ny toerana
hifandraisana.
Izahay dia mihevitra fa ny
fanakorontanana aterany dia kely mihoatra ny soa azo avy aminy. Ny trano eva
izay ampiasain’izy ireo amin’ny alina dia tsy manakorontany ny toeram-bahoaka
sy ny lalan’ny fiara. Ny trano manodidina an’io tsena io dia tsy misy afa-tsy
sekoly, tranam-panjakana ary toerana fialam-boly izay tsy misy mipetraka
amin’ny alina. Izany hoe vitsy ny manodidina no mitaraina nohon’ny fitabatabana
amin’ny alina.
Maro ny vaha olana azo
aroso amin’izany. Ny fiaraha miasa amin’ireo mpivarotra mba ahafana mifehy ny
toerana izay hiasany ary mba tsy hioharana amin’ny lalana izay tokony
handehanan’ny fiara. Ny fanentanana atao amin’ireo mprivarotra dia ahafahana mifehy
ny fandotoana ataon’ireo mpanjifa. Ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra miankina
sy tsy miankina amin’ny fivondronana sy ny “Bazar du Quartier” dia ahafahana
manangana toeram-pidiovana eo amin’ny toeram-pitobian’ny fiara eo anolohan’ny
“Palais des sports”. Farafaharatsiny dia tokony hampitomboana ny ora
hisokafan’ny toeram-pidiovana Tsimialonjafy amin’ny hariva, mba ho fanatsarana
ny faahadiovana amin’ny alina.

traduction Malagasy :
RAVELOJAONA Riantsoa Stéphanie
ANDRIATINA Zo Lalaina Gabriella
ANDRIANARIVONY Haja Nirina

traduction Malagasy :
RAVELOJAONA Riantsoa Stéphanie
ANDRIATINA Zo Lalaina Gabriella
ANDRIANARIVONY Haja Nirina
Commentaires
Enregistrer un commentaire